Mémoires de Dadabe

 

RAJAONARIVELO ALFRED

(1908 – 2004)

 

RAJAONARIVELO Alfred dia teraka tao Ialasora (FANDRIANA) tamin’ny alatsinainy faha 03 mey 1908. Zanak’i RAJAONARIVELO Arsène sy RAMARIASIVONY.

 

Nianatra tao amin’ny Sekolin’ny Misiona Norveziana Ambozontany (Fandriana) tamin’ny taona 1916; enimbolana monja no nianarany tao dia lasa teny Ambositra.

 

Nianatra tao amin’ny ECOLE OFFICIELLE Ampany sy Alakamisy. Voaray hianatra tao amin’ny ECOLE REGIONALE AMBOSITRA tamin’ny taona 1921.

 

Afaka tamin’ny fanadinana C.E.S.D (Certificat d’Etudes du Second Degré) ny taona 1924

 

Nianatra tao amin’ny ECOLE LE MYRE DE VILLERS – Mahamasina (Section Médicale) P.C.N

 

Nianatra tao amin’ny ECOLE DE MEDICINE – Ankadinandriana (1ère sy 2ème année) ary nifindra tao

Befelatànana rehefa vita sy nisokatra io sekoly io sy ny Hopitaly teo.

 

Nahavita ny ny fianarana ho Dokotera (1932): nahazo ny loka Prix Bailly noho izy « Lauréat de l’Ecole de Médecine ».

 

Nanao Fianarana manokana (Spécialisation) ho mpitsabo nify ary nahazo ny Diplôme de Médecin Dentiste tamin’ny taona 1933.

 

Nampakatra an’i Ramatoakely Marthe Rasoavelo RATSIMBA JONARY zanak’I Dr RATSIMBA RAJAONARY sy RAZAONIA tamin’ny 22 desambra 1933.

 

Nangataka hiasa any COMORES (Moroni) ary dia niasa tany (1933-1937) sady nitsabo marary (médecin mobile) no nanorina ny Fitsaboa-nify tao amin’ny Hopitaly Moroni. Nanao « Tournée eran’i GRANDE COMORE, ANJOUAN, MOHELI.

 

Rehefa tapitra ny telo taona (Service cotier), dia nafindra sy niasa tany Ambatofinandrahana : sady nitsabo marary tao amin’ny Hopitaly izy no manao « tournée » eran’ny « District ». Nanorinany Fitsaboa-nify tao amin’ny hopitali’Ambatofinandrahana.

 

Tsy naharitra ela tao izy fa volana vitsivitsyihany dia nantsoina hiasa tao amin’ny CLINIQUE DENTAIRE’ny fanjakàna tao Antananarivo ny 19 Oktobra 1937.

 

Nandeha nianatra tany Frantsa : FACULTE DE MEDECINE DE BORDEAUX : nahazo ny Diplôme de Chirurgien Dentiste ny taona 1938.

 

Nanao « spécialisation » : Orthopédie dento-faciale (fanamboarana ny kilema momba ny nify, valanorona ary tava) ; Izy no malagasy voalohany nanana izany « spécialité » izany.

 

Nanohy ny fianarany tany amin’ny ECOLE DENTAIRE FRANCAISE DE PARIS. Nandalina ny « Spécialisation »-ny tamin’io sekoly io ary nahazo ny Diplôme de Chirurgien Dentiste Spécialiste en Orthodontie.

 

Niverina teto an-Tanindrazana rehefa nahavita ny Fianarany tany Frantsa.

 

Niasa ho an’ny tenanay, ary nanokatra “Clinique dentaire” tao Analakely – Antananarivo ary niasa tamin’izany nandritra ny 20 taona (1940-1960).

 

Nilatsaka ary voafidy ho Député à l’Assemblée Nationale (Circonscription de Fianarantsoa) tamin’ny Septambra 1960.

 

Notendren’ny « Président de la République » ho : Secrétaire d’Etat à l’Information et au Tourisme tamin’ny 19 oktobra 1960.

 

Septambra 1967 : Ministre de l’Information, du Tourisme et des Arts Traditionnels.

 

4 Desambra 1969 : Ministre des Affaires Sociales Chargé de la Santé Publique, du Travail et des Lois Sociales (nanana Secrétaire d’Etat hanampy azy).

 

 

Novambra 1970 : Notendrena ho Ambassadeur de la République Malgache auprès du Royaume Uni de Grande BretagneDécret N°70 602 du 10 novembre 1970 – Présentation des Lettres de Créance le 12 février 1971 à Londres.

 

Ambassadeur tany amin’ny Fanjakan’i Israël : Décret N° 71 010 du 19 janvier 1971 – Présentation des Lettre de Créances le 5 avril 1971 à Jérusalem.

 

Ambassadeur any amin’ny Fanjakan’i Danemark – Norvège – Suède :

 

Présentation des lettres de créances :

·         19 septembre 1971 à Copenhage

·         28 septembre 1971 à Oslo

·         18 Novembre 1971 à Stockholm

 

 

 
 

 

 

 

 

Juin 1973 : Nasaina « nisotro ronono » (Retraite) nody aty an-tanindrazana. 65 taona izy tamin’izany.

 

 

Nonina tao Antananarivo izy ary tany Fandriana teo anivon’ny fianakaviany sy ny zanaka-amamparany koa. Rehefa nandroso ny taonany dia niverina tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamàna.

 

Tsaroana manokana tamin’ny faha 30 taonan’ny Televiziona Malagasy (taona 1998) dia nanaovana fandaharana manokana izy ka natao Intervew tao an tranony mba ahafantaran’ny be sy ny maro ny tantara niandohan’ny televiziona voalohany teto Madagasikara.

 

Nodimandry tao Antananarivo teo amin’ny faha 96 taonany i Dr RAJAONARIVELO Alfred tamin’ny 12 janoary 2004 ary nalevina tany amin’ny fasandrazany tao Miadana – Fandriana.

Teo amin’ny raharaham-pirenena sy fanaovana fikambànana samihafa

 

·         15 février 1947: Nihaona tamin’ i De COPPET , Haut Commissaire nangataka azy mba hihevitra izay hatao ho fanampiana ireo tanora any amin’ny  faritany mbola tsy misy Lycee: fangatahana toerana hianarany any amin’ny Lycees any Antannanarivo. – Bourses ho an’ny mpianatra avy amin’ny Provinces mianatra ao Antananarivo – Bourses homena ireo tanora avy amin’ny Provinces hianatra any an-dafy – fanokàfana toerana vitsivitsy any amin’ny Lycées ho an’ny mpianatara ary toerana ho an’ny mpiasa fontionnaires tsy manana baccalauréat noho ny tsy fisian’ny Lycée any amin’ny Provinces misy azy... sns...

 

·         Efa nahaoana valiny mahafapo ny sasany tamin’ireo fangatahana ireo, anefa sampona noho ny raharaha’ny 29 marsa 1947 ka tsy afaka nanohy ny fandinihana ny zavatra sasany.

 

·         Mambra mpanorina ny Association Chrétiennes des Anciens Etudiants Malgaches (A.C.A.E.M) - fampivondronana ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara.

 

·         Mambra sy mpanorina ny UNION DES INTELLECTUELS MALGACHES (UNIUM) ary « Vice-Président » n’io fikambànana io : Famohafohazana ny sain’ny olona amin’ny fiandrianam-pirenena, hikarakara ny hazoana ny FAHALEOVANTENA.

 

·         Isan’ny mpanorina ny ASSOCIATION DES PARENTS ET AMIS DES ETUDIANTS MALGACHES : fanampiana ireo mpianatra malagasy mianatra any an-dafy – (A.P.A.E.M)

 

·         Mambra Directeur du FOYERS DES JEUNES GENS Antsahamanitra – Antananarivo.

 

·         Comité Directeur ny TILY ETO MADAGASIKARA (Eclaireurs) .

 

·         1949: Voafidy ho Membra mpamolavola ny Fitsipika hitondràna ny “Communes urbaines et rurales” ean’i Madagasikara.

 

·         1952: voafidy ho Conseiller Municipal ny Tanànan’Antananarivo – niasa tao nandritra ny dimy taona.

 

 

Teo amin’ny raharaha ara-panahy sy ny Fiangonana

 

·         Mpitahiry volan’ny Fiangonana Loterana Ambatovinaky nandridra ny 16 taona. Izy no Mpitahiry Vola malagasy voalohany voafidy ao amin’izany Fiangonana izany raha Vazaha misionera hatrany no mpitahiry volan’ny Fiangonana hatramizay.

 

·         Mambra ny Komitin’ny Distry Ambatovinaky.

 

·         Voafidy ho membra ny Synoda Rezionaly Avaratra. Niasa tao nandritra ny 16 taona.

 

·         Voafidy ho Membra ny “Comité Permanent” ny Synoda rezionaly Avaratra. Niasa tao nandritra ny taona maro.

 

·         Voafidy ho “Mambra ny Synoda Jeneraly ny Fiangonana Lotrana Malagasy

 

·         Voafidy ho Mambra ny “Comité Permanent” ny Synoda Jeneraly

 

·         Voafidy ho Mpitahiry Volan’ny ASA MISIONA Fitoriana ny Filazantsara any anindran-tany.

 

·         Voafidy ho Mpitahiry Volan’ny Aumonnerie Protestante de Madagascar.

 

·         Voafidy ho Mambra ny Komity Protestanta: mandinika ny raharaha rehetra mikasika ny Fiangonana Protestanta eran’i Madagasikara.

 

 

Noho RAJAONARIVELO Alfred nanana andraikitra maro teo amin’ny raharaham-pirenena, dia tsy afaka nanohy ny adidy maro tamin’ireo sampana samihafa nahavoafidy azy ka nitarika azy hametra-pialàna amin’ireo andraikitra ireo.

 

Nony tafaverina avy tany amin’ny raharaham-pirenena nefainy tany ivelan’I Madagasikara anefa izy dia nandray indray ireo toerana sy asa taloha ireo, ka:

 

Teo amin’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy):

 

·         Mambra ny Komitin’ny Distry ny FLM Ambatovinaky

·         Mambra ny Synoda Rezionaly Avaratra

·         Mambra ny Komity Mpiandraikitra ny S.R (KMSR)

 

Teo anivon’ny Fiangonana Protestanta eto Madagascar

 

·         Mambra ny Komity Protestanta eto Madagasikara

·         Mambra ny Biraon’ny Komity Protestanta

·         Mambra ny Synoda Jeneraly

 

ANNEXE

 

DIA sy IRAKA nataony tany ivelany:

 

·         Novambra 1960: Fanasàna nataon’ny  « parlement allemand (Bonn) » amin’ny maha- Président du Groupe Parlementaire P.S.D à l’Assemblée Nationale  and-Rajaonarivelo Alfred.

·         Desambra 1960 : Voatendrin’ny Governemanta hitarika ny mpanao fanatajahantena handraynanjara amin’ny lalao « Jeux de l’Amitié » natao tany Abidjan – Côte d’Ivoire

·         Aprily 1961 : Nitarika ireo Troupe Nationale Ravinala tany France sy Europe nampiseho ny vakodrazana sy fomba malagasy. Izany no nahalalàn’ny any ivelany ny « Identité malgache ».

·         Desambra 1961 : Notendrena hisolo tena ny Président de la République hanatrika ny lanonana fankalazàna ny fahaleovantenan’ny Tanganyika.

·         Septambra 1962 : Niaraka tamin’ny Président de la République tamin’ny fanasàna ofisialy nataon’ny fitondram-panjakàna alemana.

·         Desambra 1962 : Notendrena hisolo tena ny Président de la République hanatrika ny lanonana fankalazànan’i Tanzanie ny niforonan’n’io Repoblika io niaraka tamin’ny vadiny.

·         Janoary 1963 : Notendrena hisolo tena ny Président de la République amin’ny fandevenana an’Itpkl Winston Churchill mpitondra fanjakàna anglisy.

·         Aogosotra 1963 : Fanasàna ofisialy nataon’ny fitondràna frantsay ho an’ny Ministre de l’Information et du Tourisme. Nihaona tamin’ny mananmpahefàne frantsay maro.

·         Desambra 1963 : Notendrena hisolo ny Président de la République hanatrika ny fankalazàna ny Fahaleovantenan’ny Tanzanie, niaraka tamin’ny ramatoa vadiny.

·         Jona – septambra 1964 : Fanasàna ofisialy nataon’ny Fitondram-panjakàna amerikana ho an’ny Ministre de l’Information et du Tourisme : naharitra telo volana sy tapany ny dia. Nitsidika ireo toerana samihafa ireto : Washington – Chicago – Boston – Buffalo (Chutes du Niagara) – Detroit – Minneapolis – Denver – Grand Canyon – Las Vegas – Salt Lake City – Los Angeles – San Francisco – New York – Honolulu (Hawaï)

·         Desambra 1964 : Fankalazàna ny fahaleovantenan’ny Zambia. Voatendry hisolo tena an’ny Président de la République indray Rajaonarivelo Alfred mivady.

·         Novambra 1965 : Nasain’ny Fitondram-panjakàn’i Formose ny Ministre de l’Information et du Tourisme. Nahitàna zava-maro izay mety halain-tahaka ho fampandrosoana ny fizahan-tany sy ny fanomezam-baovao.

·         Desambra 1964 : Fanasàna ofisialy nataon’ny Emperoran’ny Japon. Nahavariana tokoa ny zavatra hita tany ary nitondra hevi-baovao maro ny mpitsidika.

·         Desambra 1964 : Fanasàna ofisialy tamin’ireto firenena hafa ireto koa : Suisse (Foire Internationale de Lausanne ) – Israël (Tourisme) – Allemagne (Berlin ; Cologne ; hamburg ; Francfort ; Freibourg(Bavière)) – Italie (Rome : information et tourisme) – Egypte.

·         AFRIKA : nalefan’ ny Fitondram-panjakàna malagasy hitety firenena vitsivitsy taao Afrika hifandinika amin’ny mpitondra fanjakàna ny ; Côte d’Ivoire – Niger – Dahomey – Togo – Tchad… momba ny fifandraisana ara-barotra kafe sy siramamy. Naharitra iray volana ny dia.

·         Aogosotra 1969 : lasa tany Moscou : festival du Film ny Ministre de l’Information et du Tourisme izay mikarakara sy tompon’andraikitra amin’ny famokarana oronantsary fampianarana  sy fampitam-baovao. Nampiseho oronantsary vitsivitsy tany i Madagasikara.

·         ABIDJAN : Rehefa vita ny dia tany Moscou dia lasa nivantana tany Abidjan (Côte d’Ivoire) satria notendrena hisolo tena ny Président de la République hanatrika ny fety fankalazàna ny fahaleovantenan’i Côte d’Ivoire.

Marihina fa amin’ireo dia sy iraka izay nataond-Rajaonarivelo Alfred direo dia manao dinidinika hatrany amin’ny mpanao gazety izay ilazàny ny anton-diany sy ny zavatra hitany tany amin’ireo tany nalehany ireo rehefa miverina eto Madagasikara izy.

·         Aogosotra 1970 : Fivorian’ny Filoham-pirenena afrikana tao Addis-Abeba. Rajaonarivelo Alfred indray no no nirahin’ny Président de la République hisolo tena azy amin’io fivoriana lehibe io. Noraisina tahaka ny Filohampirenena izy satria mislo tena an’ Filohan’i Madagasikara. Nihaona tamin’ny mpitondra fanjakàna maro izy tany.

Ireo diany ireo no toa fambara sy santatra amin’ny fihaonana sy fifandraisana amin’ny fitondram-panjakàna ambony. Volana vitsivitsy taorian’izay mantsy dia voatendry ho AMBASSADEUR i Rajaonarivelo Alfred. Nahalalàny zavatra maro ity fivoriana ity ary toa fampiananarana azy amin’ny fifaneraserany amin’ireo mpitondra fanjakànan’ny firenena hiasàny sy hiarovany ny tombotsoan’i Madagasikara tanindrazany.

 

RAJAONARIVELO ALFRED – AMBASSADEUR

 

·         Grande Bretagne : Decret n° 70602 du 10/11/70 - Présentation Lettres de Créance : 12/02/71 à Londres.

·         Israël : Decret n° 71010 du 19/01/71 - Présentation Lettres de Créance : 05/04/71 à Jérusalem.

·         Royaumes de :

o   Danemark : Présentation Lettres de Créance : 14/09/71 à Copenhague.

o   Norvège : Présentation Lettres de Créance : 28/09/71 à Oslo.

o   Suède : Présentation Lettres de Créance : 18/11/71 à Stocholm.

 

-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

·         23 – 25 janvier 1972 : Copenhague : funérailles du Roi Frédérik IX.

·         12 – 17 mars 1972 : Madagascar : cérémonie de prestation de serment de S.E le Président de la République Philibert Tsiranana. Entretiens avec des personnalités malgaches et étrangères.

·         20 juin 1972 : Paris : Audience avec S.E. Didier Ratsiraka, Ministre des Affaires Etrangères (envoi en mission à Copenhague) : prospections, prise de contact…

·         07 juillet 1972 : Paris : audience avec S.E Didier Ratsiraka : compte rendu de mission

·         14 – 16 août 1972 : Copenhague : entretiens avec diverses personalités politiques et d’affaires.

·         07 – 14 novembre 1972 : Bangui (République Centrafricaine) : en qualité de Président de l’Organisation Africaine et Malgache du Café. Réunion annuelle de cette organisation.

·         29 novembre – 06 décembre 1972 : tournée officielle en Ecosse (Edinburg – Glasgow – Highland – Newcastle)

·         13 juillet 1973 : retour à Madagascar. ADMISSION A LA RETRAITE.

 

--------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

DISTINCTIONS HONORIFIQUES

 

Officier de l’Ordre Nationale Malgache

Grand officier de l’Ordre National de la Côte d’Ivoire

Grand officier de l’Ordre National de la Grande Comores

Grand Commandeur du mérite Allemand (Ordre National)

Commandeur de l’Ordre Touristique (France)

Chevalier de la Légion d’Honneur (France)

Grand Officier de Star of Africa (Ordre national du Liberia)

Grand Croix de l’Ordre Sikatuna (Philippines)

Grand Officier de l’Ordre National de l’Ethiopie

Grand Officier du Croissant Vert (Maroc)

Officier du Mérite Agricole (Malgache)