TAONA MARO

 

Taona maro nifandimby

Nandalovako hatrizao

Na ny mamy na ny mangidy

Dia isaorako Anao

 

Fihobiana, Fiderana,

No asandratro izao

Aleloia, Saotra sy Dera,

No atolotro ho anao

 

‘Zay rehetra ato am-poko

Mankalaza Anao

Ny Fitiavanao ry Tompo

Tsapako tokoa izao

 

Mitamberina ato an-tsaiko

Ireo soa narotsakao

Tompo ô izay tena lalaiko

Iza moa no toa Anao?

 

Fihobiana, Fiderana,

No asandratro izao

Aleloia, Saotra sy Dera,

No atolotro ho anao

 

Tomp ô tsinjovy hatrany

Ny androko izao

Na ho tsiky na tomany

Aoka tsy ilaozanao

 

Raha ho tapitra ny diako

Ka handao ny aty

Ny eo anilanao no tiako

Mandrakizay doria.